<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Gologota no jereo,
 Ao ny hazo fijaliana;
 Indro re, mihantona eo
 Jeso, sady harabiana.
 Moa mba fantatrao, ry fo,
 Ny fitiavan'i Jesosy,
 'Zay nandefitra tokoa,
 Ary koa ninia ho resy ?

[V2]
 Famonjena ho anao
 No netezany hihafy,
 Ka hijaly toa izao
 Sy hiharitra ny mafy.
 He, ny rany nitete
 Vokatry ny fanomboana;
 Vetivety foana re
 Dia ho faty ao ny Tompo.

[V3]
 Mitsangana, miaingà,
 Ndeha mankany Gologota ;
 Ao no latsaka ny ra
 Hamonjena ny mpanota ;
 Io no hany mahadio,
 Antoka tsy hay ravàna
 Eny, samy afak'io
 'Zay rehetra fahotàna !</lyrics>
<title>Golgota no jereo FFPM94</title>
<hymn_number>94</hymn_number>
<author>S. Rabary</author>
</song>